Nivory nanokana momba ity vono olona tao Dépôt Analakininina ity omaly ny “Organe Mixte de Conception” (OMC) Toamasina. Nandray anjara tamin’izany ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana, ny teo anivon’ny fitsarana, ireo solombavambahoaka roa ao Toamasina I ary ny minisitry ny rano. Tapaka fa tsy maintsy hirosoana ny fanadihadiana ilay polisy nahavanon-doza. Mandray an-tanana izany ny eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava Toamasina. Fantatra ihany koa fa tsy nanaiky raha tsy manao ny fomba Malagasy noho ny fandatsahana aina ny fianakavian’ny maty, eo koa ny fiantohana ny lany rehetra mikasika ny fikarakarana ny razana sy ny fitondrana azy any an-tanindrazany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.