Nisy polisy nefa “jiolahy” telo voasambotry ny zandary Soanierana Ivongo omaly
Nandeha fiara 4x4 fitaratra mainty izy ireo ary mbola nahitana basy nefa tsy am-perinasa na voairaka. Ny iray amin’izy ireo no voalaza fa efa nokarohina noho ny fitoriana momba azy voarain’ny zandary. Roa herinandro lasa izay dia nisy nanafika ny mpandraharaha jirofo iray tao Soanierana Ivongo. Lasan’ireo jiolahy mitam-basy tamin’izany ny vola 150 tapitrisa Ariary vidina jirofo. Nisy nahalala ny iray tamin’ireo jiolahy ny tao amin’ity mpandraharaha ity, ka nanomboka teo no nandeha ny fanenjehana. Nandeha ny fanaraha-maso sy ny fakana vaovao ka izao sarona tao Soanierana Ivongo omaly izao ihany ireto polisy “jiolahy”, izay mbola nikasa hanafika mpivarotra tany an-toerana. Mikasika ilay polisy iray efa voarohirohy lava amin’ny resaka asan-jiolahy ity, dia fantatra fa efa voaroaka tsy ho polisy intsony ny tenany noho io olana io ihany sy ilay raharaha halatra basin’ny kaomisera tao Fenoarivo Atsinanana teo aloha. Tsy nampahafantarina sa niniana tsy nomena azy (notification) ve ny taratasy fandroahana azy, ka mihevitra hatrany izy fa polisy. Mbola niatrika fanadinana hidirana “officier” aza ity polisy ity tamin’ny taon-dasa ary afaka tamin’ny adina an-tsoratra, fa teo am-piatrehana ny adina am-bava no tsikaritry ny mpampiadina ka nalana tsy ho mpifaninana intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.