Nitafa mivantana tamin’ireo Polisy eo ambany fiadidiany tao amin’ny trano boriborin’ny Minisiteran’ny atitany Anosy omaly alatsinainy, 05 mey 2014, ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehan’ny Minisitera tarihiny ny ady amin’ny kolikoly, ny fampanarahana ny fitsipika ary ny ady amin’ny asan-jiolahy. Hohatsaraina ny fomba fiasan’ny Polisim-pirenena ka hisy ny fanofanana sy ny fampitomboana ny fahaiza-manao, hisy ihany koa ny fampitaovana. Tsy hisy fitongilanana ny fanomezana tombontsoa ho an’izay mendrika sy ny fanasaziana ho an’izay manao ny tsy mety. Atao izay tsy hahalatsa-danja ny Polisim-pirenena mitaha amin’ireo hery hafa. Tsy maintsy haverina ny fitokisan’ny vahoaka ny Polisim-pirenena ka niantso ny Polisy rehetra izy hifanotrona aminy amin’ny fanatrarana izany tanjona izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.