Actualités

“Police de marché» sy mpivarotra amoron-dalana Raikitra ny fifamelezana teny Ambohijatovo


  • Talata 04 Janoary 2011

Raikitra ara-bakiteny ny savorovoro teo amin’ny mpivarotra amoron-dalana sy ireo “Police de Marché” miankanjo “polo” maitso efa vasoky ny taona 2010, omaly teny Ambohijatovo.

Tany amin’ny 12ora latsaka fahefany tany no tazana teny amin’ity toerana ity, amin’iny manodidina ny tsangambaton’ny mahery fo iny, ny fiara mangabe roa sy Mazda manga iray nitondra ireo sefosefo sy mpiambina nirongo fitaovam-piadiana notarihan’ny Talen’ny kabinetran’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra mihitsy. Izay mpivarotra tazana namelatra elo lehibe fanao any anaty tsena ireny no tena lasibatra voalohany. Tahaka ireny hoe : “allergique” elo izany no fahita ireto mpitandron’ny filaminana. Tonga dia raofin’izy ireo tsy nisy indra-fo ny entana rehetra na inona karazany na inona hatramin’ny latabatra sy tohana ary elo voalaza teo.

Tsy nahatsindry fo ny mpivarotra sasany fa nanohitra, nisy ny nahavita namely daka ireo mpangorona entana. Ireto farany kosa, satria eo ambany mason’ny sefo dia tena naherihery fihetsika tokoa, tsy nitsitsy mihitsy. Nisy ny nandaka koa sy nanitsakitsaka ireo mpivarotra nanohitra. Nisy ny anankiray nafatratra tao anaty fiarabe mantsy dia narahina lako samihafa tao fa io ilay namely daka ny iray tamin’ireo polisin’ny tsena. Raha ny marina dia efa nomena toerana ao ambadiky ny tsena sy Fokontany eo Ambohijatovo ireo mpivarotra ireo satria amboarina ny sisin-dalana manoloana ny zaridaina nefa dia miverina tsikelikely amin’ny toerana mahazatra rehefa harivariva ary tafaverina antoandro mihitsy aza rehefa afaka andro vitsivitsy taty aoriana. Tsy maintsy nesorina teo izy ireo (fa ny fety koa efa vita, mila milamina sy mirindra ny tanàna) fa ny fomba nanesorana azy ireo no tsy lanilanin’ny vavonin’ny mpitazana teny an-toerana loatra fa be fiavy be fa tsy mba nisy fiangaviana tsotra amin’ny fifandraisana maha-olombelona. 

E.R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT