Nodimandry ny sabotsy 27 novambra 2010, teo amin’ny faha-59 taonany i Elie Rajaonarison noho ny tsy fahasalamana tampoka nahazo azy.
Olon’ny soratra feno ary mpiondam-boky izy, iray tamin’ireo angady nananana sy vy nahitana ny fijoroan’ny Faribolana Sandratra izy, roapolo taona mahery izay. Niaraka taminy tamin’izany ry A.R.Ni.(efamaty), Solofo José sy Lydiary, Manitra Andriamasinoro, Rakotonirina Gérard, Ranöe, J.Nalisoa Ravalitera. Mbola izy koa no lakana nampita sy nametraka ny Antsan-tononkalo fanaon’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely, niaraka tamin’ny Talen’io foibe ara-tsaina io, Eckehart Olszowski, roapolo taona lasa izay.
Nilona tamin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny serasera koa i Elie Rajaonarison. Iray tamin’ireo fitarikandron’ny FM tamin’ny onjampeo teto Madagasikara, niaraka tamin-dry Tsilavina Ralaindimby, Niry Ravelojaona ary Nicolas Ratsimandresy izy. Mbola nifanosona taminy hatrany ireo nandritra ny fahavelomany, nikirakira ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Nilofosany ny famokarana sy fitadiavana sehatra hivelaran’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ka nanjary nifaneraserany tamin’ireo sokajina mpanakanto maro toa an-dry Njila, Samoela, Ricky, Tsiakoraka, Tselonina, Ifanihy, Ralanto, Sesely, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Notohizany teny Ambohitsaina izany tamin’ny fampiroboroboana ny Oniversite sy ny kolontsaina tamin’ny alalan’ny fampianarana tao amin’ny «Médiation Culturelle». «Poète universitaire» rahateo no famaritany ny tenany, araka ny fanazavan’ny fianakaviana. Ankoatra ny maha poeta azy dia mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny Oniversite, amin’ny sampana «Anthropologie» i Elie Rajaonarison. Mpaka sary kanto koa ny lehilahy izay narantiny ao amin’ny CCAC nomeny ny anarana hoe : «Dindo sy Vina». Mpandrindra an-tsehatra tamin’ny seho maro koa izy.
Nahatazanana azy koa ny tontolon’ny politika. Iray tamin’ireo namorona ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) izy, araka ny fahafantarana azy. Efa nitana andraikitra ambony tamina ministera toy ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny serasera, mpiandraiki-draharaha tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny amin’ny maha diplaomaty azy, mpanolotsaina tany amin’ny ministera, mpanolotsain’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Azo lazaina fa nandray anjara feno tamin’ny fiainam-pirenena i Elie Rajaonarison. Manam-boninahitra fiandry koa izy. Niofana tao amin’ny Akademia Miaramilan’antsirabe, andiany «Dimby». «Katibo» tamin’ireo indray andia taminy izy, ary niasa teny amin’ny BANI Ivato tamin’ny fotoan’androny. Nisafidy ny lalana nampianatra teny amin’ny Oniversite izy, taorian’izany.
Fiteniny amin’ny mpiray Faribolana ny hoe «Izay tsy mihetsika, … mihitsoka», «Izay tsy mahandry … mandeha», «Isika mizara fanahy», «Isika tsy mitsoka lavenona fa mikopaka ny afo ho velona», «Mamorona fa tsy mamerina». Manambady an’i Mamie i Elie Rajaonarison, manan-janaka telo mirahavavy sy zafikely maromaro.
Araka ny fantatra dia rahampitso talata tolakandro no hiainga ao Lazaina ny razana ary hoentina amin’ny iray amin’ireto toerana ireto : Tranompokonolona Analakely na Espace Rado ka andrasana amin’ny iray amin’ireo toerana ireo, hisian’ny fanomezana mariboninahitra. Ny alarobia no hoentina eny amin’ny Esplanade Oniversiten’Antananarivo ary miala eny ny antoandro. Hoentina ao amin’ny Fjkm Ambohidrano Atsinanana mialoha ny hanitrihana ny razana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.