Hentitra ny praiminisitra Ntsay Louis Christian raha naneho hevitra tamin`ny fanatanterahana ny fifidianana nandritra ny fandalovany tany Belo Tsiribihina ny faran`ny herinandro lasa teo.
Nohamafisiny fa tsy maintsy hovana ho plaky mena ireo fiaram-panjakana rehetra, araka ny efa nambarany tamin`ny fampahafantarana ny fandaharan`asa tetsy Tsimbazaza ny alakamisy lasa teo. Notsindrin`ny lehiben`ny governemanta fa manana iray volana ny rehetra amin`ny fanovana izany. Tanjona ny ahafantarana raha toa ka misy mampiasa ny fiaram-panjakana mandritra ny fifidianana. Toa lasa goragora loatra mantsy, hoy hatrany ny praiminisitra ny fitantanana ny asam-panjakana. Notsiahiviny fa efa miroso amin`ny lalana mankany amin`ny fifidianana madio, malalaka ary mangarahara ny rehetra ialana amin`ny krizy. Laharampahamehana ny fifidianana eken`ny besinimaro, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.