Actualités

Pesta eto an-drenivohitra Tsy mbola nahitana tranga hatramin’ny fiandohan’ny taona


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Lahatsoratra an-gazety maro no nivoaka teto an-drenivohitra nanomboka ny 02 febroary lasa teo izay samy milaza ny fisiana aretina pesta indray eto Antananarivo Renivohitra. Rehefa nanao fanadihadiana mikasika izany ny Institut Pasteur de Madagascar

 

 amin’ny maha rantsana misahana ny lafiny ara-pahasalamana azy eto amintsika dia nambaran’izy ireo fa tsy mbola nahitana trangan’aretina pesta teto an-drenivohitra hatramin’ny fiandohan’ny taona 2015. Ankoatra izay dia nomarihiny koa fa tsy nahatratra 13 isa akory ireo trangan’aretina pesta niseho teto amintsika nanomboka ny 04 Aogositra ka hatramin’ny 29 desambra taona 2014, ho an’Antananarivo Renivohitra. Mikasika ireo tranga sivy izay nambara fa tena izy nandritra io fe-potoana io hatrany, hoy ihany ny fanazavana azo  dia iray tamin’ireo monja no tena voamarina fa pesta. Ny iray mbola mampiahiahy ary ny fito ambiny tsy voaporofo mazava.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT