Actualités

Pelaka Manohitra ny fanilihana azy


  • Alatsinainy 19 Mey 2014

Andro manerantany iadiana amin’ny fanenjehana ny fiarahan’ny samy lahy sy samy vavy ny sabotsy lasa teo ary sambany nankalaza izany ny fikambanana MSM izay ivondronan’ireo pelaka ahitana ny lahy miaraka amin’ny lahy sy vavy miaraka amin’ny vavy, ny sarimbavy sy sarindahy ihany koa.

 Fotoana nanararaotan’izy ireo nanambara ny maharary azy indrindra dia ny fanilihan’ny fiarahamonina azy ireo. Nilaza moa i Ballou sarimbavy fa noho ny resaka ara-pinoana sy amin’ny toe-batana (fihetsika) no tsy aneken’ny Malagasy azy ireo. Mitarika henatra sy tahotra anefa io fanilihana io ka tsy sahy manara-maso ny toe-pahasalamany ny ankamaron’izy ireo. Mahatratra 14%-n’ny mpikambana MSM no mitondra aretin’ny firaisana ara-nofo ary anisan’izany ny VIH –SIDA. Manao antso moa ny ONU Sida mba tsy hisian’ny fanavahana ny olom-pirenena rehetra satria vao mainka manasarotra ny asa fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo mpikamban’ny MSM ireo ny toe-javatra sahala amin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT