Handraisana fepetra ireo sefo Cisco sy DREN tsy manao ny asany tsara manomboka izao, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary raha nihaona tamin’ny fianakaviamben’ny fampianarana tao Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Nampitandrina sahady ireo te hanampatra fahefana amin’ireo mpanabe ny tenany. Ankoatra izay dia nampanantena fa hojerena akaiky ny mety handraisana ho mpiasam-panjakana amin’izay ireo mpampianatra FRAM ny tenany, ary koa hanafaingana ny fanomezana ireo tombontsoan’ny mpampianatra izay somary hadinodino.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.