Actualités

Pastera Fifohazana Niditra am-ponja fa nikapa hazon’olona


  • Talata 15 Febroary 2011

Efa hatrany amin’ny taona 1999 no niandoha ny disadisa. Nisy olon-tsotra namboly hazo tamina tanim-panjakana teny Atsimondrano teny. Mifanila amin’io ny tanin’ny ray aman-drenin’ity pastera ity.

Nokapain’ity farany tsy ankiera anefa ny hazo kesika naniry teo. Saika hitory ny tompony saingy nandresy lahatra azy ny tao amin’ny Fokontany, mba hanaovana raharaham-pihavanana handaminana ny raharaha. Dia nirosoana tokoa io, natrehana pastera efatra hafa iray finoana amin’ilay pastera sy ny tao amin’ny Fokontany, dia niravona teo ny raharaha. Taty amin’ny taona 2008, anefa dia niverina indray ny fanapahana hazo ka 23 fototra no indray ripaka tamin’izay. Mbola raharaham-pihavanana ihany no nandaminana ny raharaha, saingy nangataka onitra telo hetsy ariary ny tompon-kazo. Noraketina an-tsoratra izany. Araka ny fantatra anefa dia tsy voahaja ny fifanarahana ary dia nitohy ihany koa ny fanapahana hazo nataon’ny pastera. Septambra 2010, hazo kesika lehibe 11 fototra no tapaka, ary mbola nitohy tamin’ny janoary 2011 teo izany.

Roa fototra no tapaka tamin’io, ary nohadiana hatramin’ny fotony araka ny fanazavana ihany. Nampiasaina hatramin’ny fitomboky ny fiangonana tamin’ny fifampivarotana. Tsy nahalefitra intsony ny tompon-kazo teo anatrehan’izany ka nitondra ny raharaha teny amin’ny zandarin’i Fenoarivo. Nidina nanao fanadihadiana ireto farany, toy izany koa ny avy amin’ny sampandraharahan’ny rano sy ala izay nanamarina fa tanim-panjakana no nisy ny hazo. Tsy manana taratasy rahateo ingahy pasy milaza fa azy ny tany ka ananany zo ny hikapa ny hazo eo ambony.  Niakatra fampanoavana ny 02 febroary ny raharaha, ary notsaraina ny zoma 11 febroary teo, dia izao nidoboka any am-ponja izao ingahy pasy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT