Fantatra izao fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny fitondrana tetezamita sy ny solontenan’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra momba ilay raharaha “Passerelle Internationale Unique” ka nanomboka hita ny marimaritra iraisana raha ny loharanom-baovao azo.
Nivoitra tamin’io fifampidinihana io ary fa mety ho ny OMERT no hisahana ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ilay PIU fa tsy orinasa vahiny araka ny noeritreretina tany aloha. Ny GOTICOM na ny vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra dia nanambara indray izao fa tsy hoe mitsipaka tanteraka ny fametrahana ilay “Passerelle Internationale Unique” izy ireo fa tsy manaiky koa ny hitantanan’ny orinasa vahiny io tetikasa goavana io. Hita ho somary niova ny hevitr’ireo mpandraharaha izay nanitrikitrika hatramin’ny tapaky ny volana janoary fa tsy mety ny
hametrahana io PIU io, ary efa firenena Afrikanina telo no niverin-dalana tamin’ny fanatanterahana azy. Tsy mbola nisy anefa ny fifanarahana ofisialy tamin’ny andaniny sy ny ankilany fa nijanona ho fifampiresahana sy fifanazavana ary fampiadian-kevitra fotsiny no natao. Ny fitondrana tetezamita rahateo efa nanamafy fa mbola vinavina ilay izy fa tsy hoe zavatra tsy maintsy atao ato anatin’ny fotoana fohy. Raha fintinina moa ny ahiahin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra dia ny hoe tsy maintsy haka tombony amin’ny asa ataony ilay orinasa vahiny hitantana ny PIU ka noho izany dia mety hiakatra ny saran’ny fifandraisan-davitra eto amintsika, ka azo antoka fa hampihena ny mpanjifa avy hatrany izany ary mety hamono mihitsy ny tsenan’ireo mpandraharaha goavana telo dia ny Orange Airtel ary Telma, manampy izay rehetra izay dia orinasa tsy dia mazava loatra io saika hiara-kiasa amin’ny fitondrana tetezamita io, ary manana ny foibeny any amina nosy kely iray malaza amin’ny fanadiovam-bola tsy fanta-piaviana.
Fa eo amin’izay fandraharahana amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra izay ihany dia nikarakara karazana atrikasa sy fampirantiana ary fifanakalozan-kevitra teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eny Antaninarenina ny GOTICOM ka nandritra izany no nahafantarana fa tsy ampy injeniera amin’io sehatra io i Madagasikara ary mila fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao amin’ny firenen-kafa efa mandroso, tahaka ny nosy Maorisy, ka hisy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Antenimieran’ny varotra Maorisianina amin’ny fanofanana ireo teknisianina Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.