Mbola mipetraka ho baraingo hatramin’izao ny tohin’ny resaka “Passerelle Internationale Unique”.
Mimenomenona noho ny fatiantoka hiditra amin’izy ireo sy tsy fisian’ny tsiambaratelo eo amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny antso sy Internet miditra sy mivoaka mankany ivelany ireo orinasa telo goavana izay tena voakasik’ity tetikasam-panjakana ity. Mba hanenana izay fatiantoka mety hateraky ny fametrahana io tambajotra iray io dia mikasa ny hampiato ny fandefasana dokambarotra momba ireo tolotra omeny, amin’ireo haino aman-jery sy gazety ireto orinasa ireto manomboka amin’ny fiandohan’ny volana febroary. Raha tontosa tokoa ity tetikasa ity dia azo antoka fa tsy maintsy hiakatra ny saram-pifandraisana satria alain’ireo orinasa amin’ny mpanjifa ny fatiantony.
Mavaivay ny toe-draharaha ankehitriny kanefa tsy fantatra ny hevitry ny fanjakana na hitazona na tsia ny “Passerelle Internationale Unique”. Nanambara ny Praiministra Camille Vital fa tsy mbola nisy akory ny didim-panjakana mamaritra ny fametrahana azy kanefa efa miaro tena sahady ireo orinasa mahatsiaro tena fa voakasika. Tokony hanatona ny ministeran’ny fifandraisan-davitra izy ireo, hoy izy mifampiresaka. Niaro tanteraka ny fananganana ity “Passerelle Internationale Unique” ity koa anefa ny tenany satria volabe tsy hita noanoa no very anjavony noho ny tsy fisian’ny fanaraha-maso ny fifandraisana amin’ny any ivelany.
“Tsy afaka manome ny totalin’ny vola very ny tenako fa ny azoko ambara dia misy 25 tapitrisa minitra isan-taona banga ka izay no ilana io rafitra io izay efa mihatra any Sénégal, Maorisy ary Kaomoro atsy ho atsy”, araka ny nambarany. Ny fanjakana ihany moa no hitantana azy raha toa ka raikitra ny tetikasa, araka ny nambaran’i Camille Vital hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.