Miha miavaka sy mivoatra hatrany ny fetin’ny Paska ao Antsirabe. Raha ny THB Tour hatrany no manafana izany dia hita fa mitombo ny mpandraharaha mitrandraka ny Paska ao amin’ny tanŕna.
Hisy hetsika goavana ihany koa mantsy eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna izay hiarahana amin’ny orinasa Comadis ka hisy “Podium” goavana hafanain’ny mpanakanto malaza toa an’i Mami Bastà, Gothlieb, Princio ary Samoela. Hanomboka rahampitso zoma 18 aprily dia efa hafana izany ary mitohy tsy an-kiato hatramin’ny Alatsinain’ny Paska.
Ankoatra izay dia fantatra fa hanao fanentanana mitety vohitra ihany koa ny Orinasa Comadis izay harahina lalao isan-karazany hizarana fanomezana. Mbola hisy koa ny alim-pikoranana ao amin’ny Le Calypso, hiarahana amin’ireto mpanakanto goavana ireto. Hita taratra fa manjaka tanteraka ny fifaninanana eto Antsirabe isaky ny fetin’ny Paska, fa efa manomboka miala ny manjaka tokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.