Actualités

Paramed Hiverina hitokona


  • Talata 04 Janoary 2011

Tapitra ny 27 desambra 2010 lasa teo ny fe-potoana nomen’ny sendikan’ny Paramed ny Fanjakana hahazoana valin-teny momba ny fitakian’izy ireo “grille indiciaire” na marikarama ho 1200.

Raha tsiahivina dia nanome folo andro ny FAT hamaliana azy ireo ny mpitsabo mpanampy nandritra ny filankevitra nasionaliny izay notontosainy teto Antananarivo ny 16 sy 17 desambra 2010. Tsy mbola nandrenesam-peo hatrany anefa ireo ministera telo voakasika mivantana amin’ny raharaha dia ny ministeran’ny fahasalamana, ny tetibola ary ny asam-panjakana hatramin’izao. Ireto farany izay nampanantena fa handinika lalina ny fangatahana ary hanome valiny amin’ny fotoana mampety azy. Efa nivalona anefa ny taona 2010 kanefa tsy mbola misy akory ny tohin’ny fampanantenana ka mahatsapa ho atao anjorom-bala ireo Paramed.

Manoloana ny ambarany fa fanaovana bemarenina azy ireo indrindra dia nanatanteraka fivoriana indray ireo biraon’ny sendika SISFM. Tapaka tamin’izany ary fa hiroso amin’ny fitokonana ny mpitsabo mpanampy amin’ity volana janoary ity. “Ao anatin’ny fandinihana ny paikady hitondrana ny tolona izahay izao ary efa nankato io fitokonana io avokoa ny rafitra eny anivon’ny faritra”, hoy i Aimé Rakotondrazafy, filohan’ny SISFM. Nambarany koa fa handefa taratasy fampandrenesana fitokonana 48 ora mialoha any amin’ireo an-tanatohatra rehetra izy ireo. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT