Tsiahivina an-tsary ny diany teto Madagasikara
Tsiahivina an-tsary ao amin’ny efitrano Gisèle Rabesahala - Tranombokim-pirenana Ampefiloha nanomboka ny sabotsy teo ary hitohy hatramin’ny rahampitso alarobia ny nitsidihan’i Papa Joany Paoly II an’i Madagasikara tamin’ny taona 1989. Mbola izy rahateo, hatreto, no hany filohan’ny EKAR (Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômana) nitsidika an’i Madagasikara. Nisy fampahatsiahivana ny tantaram-piainan’i Papa Joany Paoly II nataon’i mompera Henri Sarwaski avy amin’ny fikambanana «Missionnaire de la Sainte Famille», narahin’ny fijoroana vavolombelona nantaon’i Patrick Raharimanana (Vitatsika io), izay filohan’ny tanora katolika tamin’izany ary tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fikarakarana ny fahatongavan’i Papa Joany Paoly II teto Madagasikara.
Tanora efa ho dimy alina no nihaona taminy tao amin’ny kianjan’Alarobia ny 29 aprily 1989. Tranga anisan’ny nanamarika ny fotoana tamin’io ny nisian’ireo zaza mahantra roa nifampibaby izay norohan’i Papa. Tsaroan’i Patrick Raharimanana mandraka ankehitriny ary nifampizarany nandritra ny fijoroana vavolombelona nataony ny teny nataon’i Papa Joany Paoly II taminy hoe : “Mandehana faran’izay lavitra indrindra amin’ny fitantanana ny firenenao”.
Tompomarika tamin’ity fampirantiana ity ny fikambanana Pologne-Madagascar. Nanome voninahitra ny fotoana ny solontenan’ny Papa eto Madagasikara, Mgr Eugène Martin Nugent. Nisy ny fampisehoana ny kolontsaina poloney, toy ny fitafy sy ny hira. Marihina fa teratany Pôlôney i Papa Joany Paoly II. Fantatra moa fa hasandratra ho Olomasina miaraka amin’i Papa Joany Paoly II i Papa Joany XXIII amin’ny 27 aprily izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.