Actualités

Paositra Malagasy Miasa fa tsy mitokona izany


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Omaly zoma 22 jona no nanao hetsika lehibe tetsy amin’ny Tokontanin’ny Paositra Malagasy Alarobia ny mpiasa eo anivon’ny Paositra Malagasy.

 

Notarihin’ny Tale Jeneraly, Atoa Rakotomalala Augustin sy ireo tompon’andraikitra ambony ny hetsika. Nanome toky ny mpanjifa izy ireo fa hanome fahafaham-po sy hanaja ary tsy hanapaka ny asany. Orinasa mamelon-tena 100% ny Paositra Malagasy ary misy ny fatiantoka raha vao manapaka ny asany araka ny tatitry nataon’izy ireo. Fanomezan-toky ho an’ny mpanjifa araka izany ity hetsika nataon’ny mpiasa maherin’ny 500 ity ary nisy ihany koa ny fampahafantarana ireo tolotra sy vokatra atolotr’izy ireo. Ankoatr’izay dia nanambara ny Tale Jeneraly fa hiaro hatramin’ny farany ny tombotsoan’ny orinasa satria mahasaro-piaro ireo teknisian’ny paositra ny mety ho fahasimban’ny sehatra postaly. Araka izany dia misokatra sy miasa avokoa ireo Biraon’ny Paositra manerana ny nosy ary mandray ireo mpanjifa amin’ny fotoana mahazatra.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT