Actualités

Paositra Malagasy Hiroso amin’ny fandefasana vola mankany ivelany


  • Zoma 13 Jolay 2018

Tsy lany lamaody akory ny paositra Malagasy fa azo hampiarahana tsara amin’ny teknolojia misy ankehitriny, hoy Rakotomalala Nirina Augustin, tale jeneraliny omaly.

 


 Maro ireo fivoarana ho hitan’ny mpanjifa ato ho ato toy ny fahafahan’ireo mpanjifa eto an-toerana mandefa vola any ivelany. Hiampy maromaro ihany koa ny birao fiasan’izy ireo ka anisan’izany ny eto Antananarivo renivohitra raha efa mahatratra 250 ireo ivon-toerana misy azy manerana ny Nosy. Aorian’ny fanatanterahana ilay fihaonambe andiany fahadimy tsy ara-potoana  momba ny “Conference des plénipotentiaires de l’Union Panafricaine des postes” hotanterahina eto amintsika ny 26 sy ny 27 Jolay ho avy izao no hisian’ireo vokatra vaovao rehetra ireo. Toraka izany koa ny fahazoantsika Malagasy mpiara-miombon’antoka maro ao anatin’ireo firenena maneran-tany miisa 45 mpikambana ao amin’ny UPAP…. ka ny 15 isa amin’izy ireo hatreto no fantatra fa efa namaly ny antso. Nanamafy moa ny minisitra Maharante Jean de Dieu omaly fa noho ny fahatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena antsika Malagasy no anisan’ny nisafidianany antsika handray io fihaonambe momba ny paositra sy ny fifandraisan-davitra aty Afrika io. Mikasika ny fitokonana eo anivon’ny minisitera manokana dia tsara ny mampahatsiahy fa mitohy hatrany hatramin’ny omaly. Miandry ny fanatonan’izy ireo azy ny minisitra Maharante Jean de Dieu eo an-daniny. Momba ny fangatahan’ny sendika ny amin’ny tokony hametrahan’ity minisitra ity fialana dia nambarany fa tany tan-dalàna i Madagasikara.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT