Actualités

Paositra Malagasy Hifampizara traikefa amin’ny firenena maro


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Nampahafantarina omaly alarobia 8 aogositra tetsy amin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) tetsy Antaninarenina ny fisian’ny ilay vokatra vaovao fandefasam-bola sy fandraisam-bola avy any ivelany.

 

 Nanambara ny tale jeneralin’ny Paositra, Andriamatoa  Rakotomalala Augustin fa hisy ihany koa ny fifanarahana sy ny fifanakalozana traikefa amin’ireo firenena hafa tahaka an’i Tonizia sy i Côte d’ivoire ary Oganda izay hanatsarana hatrany ny kalitao sy ny vokatry ny paositra Malagasy atolotra ho an’ny mpanjifa. Mbola nanantitrantitra ny tombontsoa azo amin’ny fiombonamben’ny paositra aty Afrika (Upap) tahaka ny fanampiana ara-teknika sy ny fanaraha-maso ireo tolotra vaovao ny tale jeneraly. Ankoatra izay, hitombo ny tsena hosahanin’ny paositra Malagasy, indrindra amin’ny sehatra iraisam-pirenena  noho izy hiditra amin’ny varotra elektronika (e commerce). Fa Mahakasika ny tolotra fandefasam-bola avy eto mankany ivelany kosa dia nitanisa ny tombontsoa azon’ny mpanjifa ny paositra Malagasy toy ny fihenan’ny vola aloa ho antsasany amin’ny fandefasana ny vola (virement international). Eo ihany koa ny tombony amin’ny taham-bola (taux de change) satria dia tena manakaiky ny an’ny banky foibe ny an’ny paositra ka hiteraka tombony amin’ny mpanjifa rehefa mandefa vola any ivelany izy ireo.

Tsirinasolo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT