Hiavaka ny fetin’ny reny any Maevatanana satria dia hanolotra ny mamy amin’ny alalan’ny “Opération gateaux” sy ny fandefasana horonantsary mandra-paharivan’ny andro ao amin’ny Hotel Restaurant Betsiboka ny fikambanana miahy ny olona manana fahasembanana dia ny Handisport Betsiboka P.S.H. Pro (Personnes en Situation d’Handicap Professionnelle) tarihan’ny filohany Zaomision Léonah ary eo ambany fiahian’ny filoham-boninahitra, Rasoarimalala Géorgette fantatry ny maro amin’ny solon’anarana “Zôry kely”. Antenaina ny fiaraha-mientan’ny mpiara-belona rehetra, hoy ny hafatra nentin-dRajaonarivony Ernest. Nomarihany fa ny vola rehetra azo amin’izany hetsika izany dia hoentina manampy sy manatsara ny fitaovan’ny fikambanana ary hoentina hanomanana ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taom-pilalaovana 2014 ho an’ireo mpanao Handisport any Maevatanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.