Actualités

ORTM Misy tsy milamina


  • Sabotsy 26 Aprily 2014

Namela takaitra ao amin’ny ORTM izay ivondronan’ny TVM sy ny RNM ny minisitry ny serasera teo aloha. Maro moa ireo mpanao gazety tratran’ny halako bika, tsy tiako tarehy izay nosaziana tsy afa-manolotra vaovao nandritra ny dimy taonan’ny tetezamita.

 Vao nandray ny asany ny minisitra vaovao dia afaka tamin’ny saziny ny iray izay tsy iza fa mpanao gazety fanta-daza ao amin’ny RNM. Efa manolotra vaovao antoandro izy amin’izao ary anisan’ny nahafaly ny namana mpanao gazety maro izany na amin’ny fanjakana na amin’ny tsy miankina. Mbola misy maromaro anefa ireo voasazy teo aloha no tsy mahazo mandray asa amin’izao noho ny antony tsy fantatra. Marihina fa tsy vitsy amin’ireo mpiasan’ny ORTM no nibitaka tamin’ny nanendrena minisitra vaovao hitantana ity departemantan’ny serasera ity ka nanao fety mihitsy.

Ankoatra io dia raikitra koa ny ady an-trano eo anivon’ny ORTM . Mbola noho ny rafitra napetraky ny minisitra teo aloha koa no antony dia ilay “guichet unique” . Tsy nanaiky ny toromariky ny mpitantana ny ORTM ny teknisianina iray izay mihevitra fa tsy azo tsabahana dokambarotra ny fandaharana vokarin’ny TVM . Tsy nahafaly ireo mpitantana anefa ny fihetsiny izay tsy nilefitra mihitsy ka notoriany eny amin’ny fitsarana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT