Actualités

Orlando Raobimanana Esorina fa manelingelina ny mpitondra ?


  • Alakamisy 26 Febroary 2015

Mitady hiverina indray ny fitantanana maloto ny volam-bahoaka miaraka amin’ireo fomba mamohehatra fanaon’ny mpitondra fanjakana Malagasy tao anatin’ny 50 taona mahery, hoy ny mpiasam-bahoaka avy ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana. Misy ny fanerena ny ao amin’ny tahirimbolam-panjakana mba hamoaka vola 40 miliara Ariary kanefa tsy manaraka ny lalàna akory izany ka tsy azonay ekena mihitsy, hoy ny mpiasa teny Antaninarenina omaly

 

. Saropiaro amin’ireo ezaka efa vita nanomboka tamin’ny taona 2009 nametrahana ny fitantanana madio, mahomby sy mangarahara anefa ireto mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana ireto. Mifototra amin’ny fanamby 5 ny paikady fanavaozana nampiharin’ity sampandraharaha misahana ny fitantanana ny volam-bahoaka ity efa ho efa-taona izao. Anisan’izany ny fiarovana ny volam-bahoaka manoloana ny fandikan-dalàna sy ny ramatahora samihafa tian’ireo mpitondra fanjakana manam-pahefana sasantsasany hampiharina ankehitriny. Efa mazava anefa ny voalazan’ireo lalàna miisa 3 nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra, nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena sy neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ary nosoniavin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny taona 2014 mikasika ny fombafomba tsy maintsy arahina amin’ny fikirakirana ireo volam-bahoaka sy ny fitantanana ny orinasam-panjakana. Tsy handefitra manana ny rariny manoloana ireo karazana antsojay tadiavin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony ireo hatramin’ny farany moa ireto mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana nanazava ny zava-misy marina iainan’izy ireo ary misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka teny Antaninarenina omaly ireto. Mandeha ny resaka fa mety hiafara amin’ny fanesorana amin’ny toerany ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-pirenena Orlando Raobimanana ny fandavana ny famoahana io vola be 40 miliara Ariary  io.

 

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Ireo mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana teny Antaninarenina omaly

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT