Mitsingerina amin’ity taona 2014 ity ny faha-10 taona nisintahan’ny fanjakana tamin’ny fitantanana ny orinasa Telecom Malagasy.
Tsy nitsahatra ny nampiasa vola teo amin’ny sehatry ny fikirakirana ny hairaha avo lenta ireo mpitantana tsy miankina ny Telma nanomboka ny taona 2004, araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra nandritra ny lanonana fanolorana mari-boninahitra ho fankasitrahana ireo mpiasa miisa 60 nahavita 10 taona mahery tao amin’ity orinasam-pifandraisan-davitra Malagasy ity ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny fampiroboroboana ireo fotodrafitrasa dia niezaka nanome fahafaham-po ireo mpanjifany ihany koa ny orinasa amin’ny alalan’ny fanomezana ireo karazana tolotra samihafa. Fanamby efatra lehibe no hapetraky ny mpitantana miaraka amin’ireo mpiasa 1.200 raikitra ao amin’ny orinasa amin’ity taona 2014 ity dia ny fahamendrehana eo amin’ny lafiny rehetra, ny fifanampiana amin’ny fihoarana ireo fahaiza-manaon’ny tsirairay, ny fikatsahana ny fahasalamana ary ny fanomezan-danja ny sehatry ny fifampiresahana ara-tsosialy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.