Nisondrotra 8% ny vidin’ireo simenitra vokarin’ny orinasa Holcim tao anatin’ny herintaona. 17.000 ariary no andraisan’ny mpivarotra ny lasakan’ny simenitra lova ankehitriny raha 18.600 ariary ny orimbato ary 19.980 ariary ny Manda.
Raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Holcim, Pascal Naud dia tsy azo ihodivirana ny fampiakarana ny vidin’entana noho ny fitombon’ny vesatra mianjady amin’ny orinasa nandritra izay 12 volana izay. Nitombo 15%, ohatra, ny vidin’ny “anthracite” izay akora fototra hafarana avy any ivelany raha nisy fitomboany hatrany amin’ny 30% koa ny saram-pitaterana an-dranomasina. “Nampiakatra ny saram-piantohana alainy amin’ireo sambo mpitatitra entana ireo orinasa misahana ny fiantohana noho ny fisian’ireo jiolahin-tsambo ao amin’ny faritry ny oseana Indiana. Eo koa anefa ny fisondrotry ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena”, hoy ny tale ara-barotry ny Holcim, Rasolonjatovo Tsiry. Momba ny lafiny ara-barotra indray dia manahy ny orinasa fa mbola ho mafy kokoa ny fiatrehana ny tsena amin’ity taona ity satria miato avokoa ireo asa goavana ampiasana simenitra toy ny fanamboaran-dalana, ohatra. Mifarana amin’ny volana jona izao koa ny dingan’ny fananganana ireo fotodrafitrasa eo anivon’ny orinasa Sheritt izay hampihena ny fanjifana. “Raha nihena 10% teo ho eo ny fanjifana ny simenitra Holcim tao anatin’izay herintaona izay dia mety mbola hilatsaka noho izany ny amin’ity taona 2010 ity”, hoy ihany ny Tale jeneraly. Ny 65%-n’ny tsenan’ny simenitra moa no lasan’ity orinasa Soisa ity ankehitriny raha 450.000 taonina isan-taona kosa no filana. Manafatra simenitra 150.000 taonina isan-taona ny orinasa hamatsiany ireo faritra lavitra toa an’i DIANA sy SAVA. Tsy maharaka rahateo ihany koa ny simenitra vokariny any Ibity, Antsirabe. Azo lazaina fa mbola malalaka ny tsena ankehitriny satria ankoatra ny Holcim dia mamokatra simenitra koa ny Maloci ary ankoatra ireo orinasa roa ireo dia misy fanafarana simenitra 140.000 taonina isan-taona koa ataon’ny mpandraharaha sasany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.