Efa ho herinandro katroka izao no tonga ao amin’ny orinasa Fanalamanga ary manao fanadihadiana ny DG, ny DAF, ny mpividy entana 2 lahy sy vavy ary mpandraharaha mirahalahy miandraikitra ny « Transport Mangoro »
manao ny asan’ity orinasa ity any amin’ny orinasa Ambatovy Moramanga noho ny fitoriana nataon’ny mpiasa amin’ny kolikoly avo lenta ataon’izy ireo ao amin’ity orinasa any Moramanga ity. Gaga anefa ireo mpiasa ankehitriny fa mirehareha fatratra ireto atao fanadihadiana fa tsy mankaiza amin’ny volan-dry zareo, hono, ny Bianco manao fanadihadiana. Ohatra ny manamarina an’izany tokoa, hoy ireo mpiasa nanatri-maso, ny fahitana fa nomena trano ao amin’ny « Cité Fanalamanga » ny iraky ny Bianco manao fanadihadiana ireto ary zary lasa mivorivory miaraka amin’ny ireo tompon’andraikitra voatory ao amin’ity orinasa ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.