Manao fanamarihana ny Bianco fa manao fanadihadiana mahakasika raharaha kolikoly tokoa any amin’ny orinasa Fanalamanga –Moramanga amin’izao fotoana ary olona mihoatra ny folo no efa noraisina am-bavany tamin’izany.
Tsy ho ela dia hoentina hotolotra ny fitsarana mahefa ireo olona rehetra voarohirohy araka ny fomba fiasan’ny Bianco hatramin’izay. Aoka hazava tsara ny resaka, hoy ry zareo avy ao amin’ny Bianco fa miasa araka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy azy ireo mpanao fanadihadiana ary diso tanteraka ny filazana fa manao fihetsika mampiahiahy izy ireo. Noho ny fahalaviran’ny toerana misy ilay orinasa nisian’ny fandihadihana sy ny maha mpamita iraka ireo mpanao fanadihadihana ireo dia natao teo an-toerana toy ny fanao mahazatra ny fakana am-bavany ireo olona rehetra voarohirohy, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina anefa fa tsy natory tao amin’ny toerana nanaovana ny fakana am-bavany ireo mpanao fanadihadihan’ny Bianco fa kosa tao amin’ny MADAHOTEL tao Antsirinala – Moramanga ihany. Tsy fivoriana, araka izany, no nataon’ny mpanao fanadihadihana fa fakana am-bavany tsirairay ireo olona voakasika amin’ny raharaha. Marihana ihany koa, hoy ry zareo avy ao amin’ny Bianco fa ny fanadihadiana ataon’ny Birao ao anatin’ny fampiharana tanteraka ny lalàna velona sy ny fanajana ny zon’ny fiarovana dia tsy mahasakana ny resaka an-jorony fandemen-tsaina sy famendrofendroana ataon’ny olona ahiahiana na ny mpitory. Tsy misy akony amin’ny fanadihadiana ataon’ny Bianco mihitsy izany endrika fanelingelenana sy fanelezana tsaho izany, araka ny fampitam-baovao voaray avy ao amin’ny sampana seraseran’ny Bianco.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.