Actualités

Orinasa Airtel Nahatsiaro ireo reny tera-bao


  • Talata 27 Mey 2014

Nahatsiaro manokana ireo renim-pianakaviana ny orinasa Airtel Madagascar tao Vakinankaratra nandritra ny fetin’ny reny teo.

 Hetsika niavaka ary nampihetsi-po no nataon’ny orinasa tao Antsirabe ny zoma 23 mey. Nizara fanomezana ho an’ny ireo reny terabao no nataon’izy ireo ka ireo teraka tao amin’ny hopitaly atsimo no nisitraka izany, izay niisa 30 teo ho eo. Nosafidiana manokana ny hopitaly atsimo noho ny fisian’ireo olona somary sahirana ara-pivelomana tonga miteraka ao ka fitaovam-piterahana toy ny bodofotsy, akanjon-jaza,  ronono ho an’ny reniny ary fehezam-bonikazo amin’ny maha fetin’ny reny azy no nozaraina tamin’izany. Nambaran’ny tompon’andraikitra moa fa nanerana ny renivohi-paritra 22 no nanaovan’ity orinasa ity io hetsika io, izay nambaran’izy ireo fa santatra ambavarano ihany ka hitohy amin’ny lafiny fanabeazana izany asa soa izay ato ho ato, toy ny fanampiana ireo mpianatra eny amin’ny EPP ihany koa. Ny tompon’andraikitry ny toeram-piterahana moa no nifantina ireo mpiteraka tena nilana ity fanohanana ity raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT