Efa fanaon’ny avy ao amin’ny ABC ity hetsika fampiofanana maimaimpoana ireo olona liana sy ireo matihanina amin’ny fanaovana taotrano ity. Raha niompana tamin’ny loko Indigo ny fiofanana tamin’ny volana febroary, ary “plomberie” tamin’ny volana martsa lasa iny dia hahakasika ny simenitra indray ny fiofanana amin’ity volana aprily ity. Rahampitso zoma 25 aprily tontolo andro no hanatanterahana azy etsy amin’ny biraon’ny ABC teo aloha. Matihanina amin’ny taotrano sady injeniera no hanao ny fiofanana ara-teknika izay harahina fampiharana. Misokatra ho an’ny rehetra ny fisoratana anarana ho an’ity fiofanana maimaimpoana ity anio alakamisy 24 aprily fa ny fiofanana kosa no hotanterahina rahampitso 25 aprily.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.