Actualités

“Opération rongony” Nisy 9 voasambotra, 2 tsy ampy taona, 2 vehivavy


  • Sabotsy 19 Aprily 2014

Mahazo vahana ny fifohana rongony amin’ireo tanora sy ankizy ao Toamasina, izay heverina fa isan’ny mampirongatra ny tsy filaminana ao an-toerana.

Nanapa-kevitra ny polisy sy zandary ary miaramila mitambatra fa tsy maintsy atao ny “Opération rongony”. Ny alarobia teo dia nidina tao Tanamakoa ny Emmo-Reg, ka nisy olona sivy tratra teo am-pidorohana sy fivarotana rongony, ka mbola tsy ampy taona ny roa ary vehivavy ny roa izay miara-midoroka amin’ireo lehilahy sy sakaizan’izy ireo ihany koa. Hiitatra amin’ny Fokontany hafa ny “opération” ataon’ny Emmo-Reg. Anio no hiakatra fitsarana ireto olona tratra ireto, ka anjaran’ny Fitsarana no mandray fanampahan-kevitra mikasika ny momba azy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT