Actualités

«Opération Coup d’arręt» «Aoka tsy ho fanararaotana ny any ambany ravinkazo», hoy i Perle Zafinandro


  • Alatsinainy 19 Mey 2014

Mahakely finoana ny hiverenan’ny fandriampahalemana ao anatin’ny fotoana fohy any amin’iny Faritra Anôsy iny raha tsy misy ny fandavantenan’ny mpitondra.

 Anisan’ny nambaran-dRtoa Zafinandro Perle io raha naneho ny heviny mahakasika ny zava-misy any Atsimo ny tenany. Efa hananika ny faha-6 taona mantsy izao, hoy ity mpitarika ny hetsika Fagnomba ity ny fijalian’ny mponina any noho ny afitsok’ireo malaso sy ireo jiolahy mpanakan-dalana ary ny vono olona. Nanao fanamby ny tsy maintsy hamongorana ireo asa ratsy ireo ny mpitandro ny filaminana tao anatin’ny “Opération Tandroka”. Anisan’ny voaresaka tamin’izany ny fikarohana sy ny fisamborana ilay lehiben’ny malaso Remenabila sy ny namany. Tsy nahafa-po ny vokatra. Hatao indray ny «Opération Coup d’arrêt» hamerenana ny fandriampahalemana any atsimo. Tsara raha misy ny arofanina tsy hiverenan’ny tranga teo aloha. Tsy fanenjehana malaso mantsy no hita fa fampijaliana Fokolonona, hoy hatrany Rtoa Zafinandro Perle. Mampametra-panontanina ihany, hoy ity farany, ny tsy hisian’ny fandriampahalemana amin’iny Anôsy iny nefa miaramila be galona no lehiben’ny Faritra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT