Actualités

Onjam-peo RNM Manomboka heno ny feon’ireo mpanao gazety voasazy teo aloha


  • Alarobia 23 Aprily 2014


 Nahavelom-bolo ireo mpanaraka ny vaovao ao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM) manerana ny Nosy tao ho ao ny fahenoana indray tamin’ny fanoloram-baovao ny feon’ireo namana mpanao gazety niharan’ny sazy (“interdit d’antenne”) fony fitantanan’ny minisitry ny serasera tetezamita. Singanina amin’ireny ny feon’ny namana Alain Andrianasolo sy Martin Ravonjisoanirina. Hafa ihany ny feon’ny matihanina, hoy ity mpihaino iray sendra nanamarika ity trangan-javatra ity teny am-pandehana anaty zotram-pitaterana teto an-drenivohitra,. Antenaina fa mba ho taratry ny hiverenan’ny feon’ireo namana hafa eny anivon’ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana tetezamita koa ity niseho tao amin’ny RNM ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT