Natomboka tamin’ny sabotsy teo ny asa goavana amin’ny fanarenana ny oniversiten’i Toamasina, tafiditra tamin’ny nandraisana ny fepetra nanalana faobe ireo mpianatra ny volana septambra ny taona lasa, ary nahatongavan’ny praiminisitra teo aloha Kolo Roger nijery ny zava-nisy ny 25 septambra.
Mitentina 12 miliara ariary ny vola entina hanaovana ireo asa goavana ireo. Indray mifandrimbona manao ny asa ny orinasa Dani hanao ny fanarenana ny trano fidiovana vaovao miisa 20, ny orinasa CGC hanamboatra ireo “bâtiments” 7 misy rihana 2 avy, ny orinasa « Sarah et Compagnie » hanamboatra ny « Blocs Conaco » miisa 20, ary ny orinasa Scorf nahazo ny asa fanarenana ny efitrano fianarana goavana miisa 4 sy ny « maison blanche ». Ao anatin’ny 75 andro no hanaovana ny asa rehetra araka ny fifanarahan’izy ireo tamin’ny oniversite sy ny fanjakana nitady ny vola teo anivon’ny seranan-tsambo sy ny orinasa Ambatovy. Araka ny voalazan’Atoa Velomita Ferdinand filoham-pitantanan’ny oniversiten’i Toamasina, miankina amin’ny fahavitan’ny efitrano fianarana ny fidiran’ny mpianatra, koa raha tsy misy ny olana amin’ny fanarenana izany sy tratra ny fetr’andro napetraka, dia ny tapaky ny volana martsa izao no hiditra ny ao Barikadimy hanao ny taom-pianarana 2014 – 2015 izay miaraka avy hatrany amin’ny mpianatra tokony hiditra taona voalohany ny taom-pianarana 2013 – 2014.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.