Miverina indray ny fitakian’ny mpianatra ny fialan’ny filohan’ny Oniversite Mahajanga. Nivoaka ny faritry ny oniversite ka nidina an-dalambe teo Bazarikely Sotema izy ireo omaly maraina nandritra ny adiny roa hanaovany ilay fitakiana.
Norarafan’ny mpitandro ny filaminana baomba mandatsa-dranomaso izy ireo nandravana ny sakana tamin’ny lalam-pirenena faha-4 ka niverina tany amin’ny faritry ny oniversite, sady nitora-bato, pilotra ary “cocktail Molotov”. Nisy roalahy voasambotra, izay voalaza fa mponina eny manodidina ihany. Omaly ihany anefa izy ireo dia navotsotra. Nilaza ny solontenan’ireo mpitokona fa tsy hanaiky izy ireo raha tsy esorina amin’ny toerana maha filohan’ny oniversite azy afaka 48 ora ny profesora Rabesa Zafera Antoine. Hanao hetsika fanerena ny fanjakana amin’izany ireo mpianatra raha toa ka mbola voatazona amin’ny toerany ity farany rehefa tapitra ilay fe-potoana nomeny. Valo volana izao ny krizy ao amin’ity oniversitem-panjakana ity, tsy hitan’ny fanjakana ny vahaolana mampisy fitoniana fa toa vao mainka fanapotehana no misy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.