Actualités

Oniversiten’Antananarivo Mila taom-pianarana tony


  • Talata 14 Aogositra 2012

Nampiray feo ary dia niverina nitokona ny telo tonta, ahitana ireo mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharahan’ny oniversite ary ny mpianatra omaly.

 Nifamotoana teo amin’ny Esplanade Ankatso izy ireo. Niakatra teny koa ny mpianatra avy eny Vontovorona. Tsy mbola mianatra rahateo ny eny, toy ny ampahany ao amin’ny fakiolten’ny siansa sy ny ao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny siansa maha olona. Nifandimby niteny ny olany ny antokon-draharaha isanisany. Nivoitra tao anatin’izany fa mila taom-pianarana tony ny oniversite, ka dia mitaky ny hamalian’ny fanjakana ny fitakian’izy ireo mba ho to izany.

Eo ny hanomezan’ny fanjakana ny vola fanampiana ny tetibolan’ny oniversite hahafahany mihodina ara-dalàna, ny fanonerana ny vola 10.000Ar nihoatra tamin’ny saram-pisoratana anaran’ny mpianatra, ny fandoavana ny tambikaraman’ny mpampianatra mpikaroka izay efa neken’ny fanjakana saingy tsy mbola nefainy. Nijanona tao anaty faritry ny oniversite ihany hetsika omaly, saingy nilaza izy ireo fa raha tsy misy mihaino ny fanjakana dia hohamafisina ny fitokonana amin’ny alakamisy izao. Ny Seces rahateo manamafy fa tsy hiverina hampianatra raha tsy voaloa ny tambikaramany efa nifanarahana tamin’ny fanjakana. Vokatr’io hetsika nitambarana omaly io dia nahemotra ny fanadinana tao amin’ny DEGS, niato ny fianarana rehetra teny Ankatso omaly. 

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT