Actualités

Oniversite tsy miankina eto Antananarivo Maro no tsy ara-dalŕna


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Mila ho isaky ny elakela-trano eto Antananarivo no ahitana oniversite tsy miankina amin’izao fotoana izao.

 

Maro amin’izy ireny no tsy ara-dalàna saingy afaka nisokatra ihany noho ny fahitana lalana amban’ny tany toy ny fanaovana kolikoly. Tsy misy rahateo ny vaomiera mazava manara-maso ka manjaka ny gaboraraka. Misy firaisana tsikombakomba amin’ny tompon’andraikitra ny fisokafan’ireny oniversite ireny raha halalinina ny zava-misy. Tranga fahita ihany koa ny fanitaran’ny oniversite tsy miankina sasany ny sampam-piofanana misy ao aminy raha toa ka sampam-piofanana iray no nahazoany fankatoavana ara-panjakana, toe-javatra izay nohamafisin’i Dr Johary Andrianambinina, Tale jeneralin’ny CNTEMAD. Maro ny voka-dratsin’izao toe-javatra izao toy fahasimban’ny lentan’ny fampianarana. Ny tena olana dia fahaverezam-bola sy fotoana ho an’ny tanora kanefa ny mari-pahaizana ho azo tsy hisy lanjany noho izy tsy hahazo fankatoavana ara-panjakana. Ilaina ny misoroka amin’ny alalan’ny fanaovana fanadihadiana mialoha ka anisan’ny zava-dehibe ny fanatonana ny eny anivon’ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy manamarina raha toa ka voasoratra sy eken’ny fanjakana ny mari-pahaizana avoakan’ny oniversite tsy miankina iray. Tokony handray fepetra henjana ihany koa ny minisiteran’ny fampianarana ambony satria tsy ny oniversitem-panjakana ihany no iadidiany.

                                                                                                       Toky R.

                                                                                               

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT