Hiravona sa mbola hitohy ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka. Amin’ity anio no mety hamantarana ny valin’izay. Hiverina hifampidinika an-databatra boribory indray mantsy anio hariva manomboka amin’ny 6 ora ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Athanase Tongavelo, sy ny “Direction Collégiale SECES” tarihin’ny filohany, Armand Rasoamiaramanana, hotronin’ireo filoha lefitra 5. Ny sabotsy teo no efa nisy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta saingy tsy mbola nisy ny marimaritra iraisana. Tonga dia ny voamasony no nopotsirina satria resa-bola avy hatrany no nifantohan’ny dinika. Ny SECES dia nanamafy hatrany ny fanomezana ny tambikarama 800.000 ariary raha milaza ho tsy manana ny toe-bola atokana amin’izany kosa ny fanjakana, hoy ny ministra. Nanizingizina anefa ireo solotenan’ny mpampianatra mpikaroka fa manambola ny fanjakana matoa afaka mikarakara lanonambe anasana mpanakanto vahiny nandritra ny roa volana faran’ny taona 2010. Tsy nisy zava-baovao aloha hatreto fa samy nijanona amin’ny heviny hatrizay ny heviny ny andaniny sy ankilany. Andrasana izay havoak’ity anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.