Tahaka ireny olona traboina ireny ny fahitana ireo mpianatry ny oniversite Mahajanga mitoetra ao amin’ny CEG Tsararano amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny trano lay rovitra no misy azy ireo rehefa nesorina teny amin’ny Campus Ambondrona ny herinandro lasa teo iny. Amin’ny maha traboina azy ireo izay dia nifanome tanana nanampy azy ireo ny Faritra sy ireo mpandraharaha nanatitra fanampiana toy ny vary, savony ary vola hiatrehan’izy ireo ny fiainana andavanandrony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.