Actualités

Oniversite Ananan’ny Jirama trosa 60 miliara ariary


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Tsy mety tafavoaka ny ala, araka ny fomba fiteny ny Oniversite eto amintsika, fa na dia tsy milamina tsara aza ny fiverenan’ny fampianarana, ary ankamantatra ny fidiran’ny taom-pianarana vaovao dia miala any indray ny olana manaraka.

Nanambara ny ministry ny angovo Rodolphe Ramanantsoa fa ananan’ny Jirama vola hatrany amin’ny 60 miliara ariary be izao ireo oniversite enina manerana an’i Madagasikara. Raha araka ny fanazavan’ingahy ministra dia volana jiro sy rano lanin’ny oniversite hatramin’ny taona 2008 no ho mankaty, kanefa tsy mbola voaloa izy ireo. Efa nisy moa ny fotoana tamin’ny fitondrana teo aloha nanapahan’ny Jirama ny famatsiana teny amin’ny oniversite sy ireo trano fonenan’ny mpianatra, izay niteraka savorovoro tamin’izany fotoana.

Voalaza mantsy tamin’izany fa misy manararaotra mampiasa fitaovana hafa ireo mpianatra sy mponina eny Ankatso I sy II ary Ambohipo, manararaotra ny tombontsoa azon’izy ireo amin’ny tsy fandoavana Jirama na ny fandoavana amin’ny ampahany kely. Iaraha-mahita anefa fa tsy manam-bola handoavana izany ireo oniversite enina ireo, satria na ny karaman’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha aza efa olana isam-bolana, ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe tara lava, koa ahiana ny tsy maintsy handraisan’ny Jirama fepetra any aoriana amin’io faktiora amina miliara tsy voaloan’ny oniversite io.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT