Mpanao asa madinidinika mpanao asa tena 17 no navoakan’ny ONG Les Pęcheurs Madagascar fiofanana maimaimpoana nandritra ny 8 herinandro ka navoaka te
ny Ambaranjana omaly ary notolorana mari-pitozoana. Ny fitantanana sy fandrafetana tetikasa ary ny fahavononana ara-toe-tsaina hiroso amin’ny fivelarana ara-pihariana no votoatin’ny zavatra nomena ireto mpiofana ireto ka hotohanana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa narosony nandritra ny fiofanana izy ireo manomboka eto ary harahi-maso tanteraka hahazoana manohy ny fanampiana azy ireo na mampiato ihany koa izany. Andia fahatelo tamin’ny mpiofana navoakan’ny ONG Les Pêcheurs hatramin’ny taoana 2013 nijoroany ireto vao navoaka ofisialy ireto ka tonga nanotrona sy nitarika ny fanoloarana sertifika ho azy ireo Ato Kevin Fuller izay solontenan’ny fikambanana kristianina Global development group avy any Aostralia fototry ny ONG Les Pêcheurs Madagascar sy mpanohana ny asa rehetra sahaniny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.