Actualités

Olona manana fahasembanana Efa mba mihatsara ny fandraisana an-tanana azy ireo


  • Alarobia 11 Jolay 2018

Mahatratra 7,5 ka hatramin’ny 10 % ny salan’isan’ireo olona manana fahasembanana manerana ny Nosy.

 
Tafiditra ao avokoa ireo sembana ara-batana, ny ara-pahitana, ireo manana olana any amin’ny saina….Maro ny olana sedrain’izy ireny ankoatra ny fanilikilihan’ny fiarahamonina izay misy fiantraikany amin’ny fiainany mivantana. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo arian’ny fianakaviany mihitsy, indrindra fa ireo manana olana amin’ny saina. Efa mba mihatsara ny fandraisana an-tanana azy ireny tato anatin’ny folo taona, hoy Razafinjato Fela, filohan’ny ivontoerana Sembana Mijoro. Any amin’ny resaka asa no tena ahitana taratra izany izay nambarany manokana fa tsy hananan’ny orinasa olana firy intsony. Ho an’ireo olona manana fahasembanana ara-batana miisa 200 tao aminy, ohatra, dia miisa 25 ireo efa nomeny asa raha hisokatra tsy ho ela ihany koa ny ivontoerana tantanany eny Analamahitsy izay handraisana olona manana fahasembanana ara-batana miisa enina eo ho eo. Nomarihiny manokana fa ireo manana fahasembanana ara-batana aloha hatreto no tena raisin’ny orinasa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT