Actualités

Olona akaiky an’i Andry Rajoelina Nodimandry tatsy La Réunion i Pascal Rakotomavo


  • Alarobia 15 Desambra 2010

Nodimandry omaly teo amin’ny faha-76 taonany tatsy amin’ny nosy La Réunion Atoa Pascal Rakotomavo, efa governoran’ny faritanin’Antananarivo no sady efa praiminisitra nandritra ny fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka.

Ny 8 desambra lasa teo moa no nalefa maika hotsaboina tany amin’ny nosy La Réunion ny tenany rehefa tratry ny fahatapahan’ny lalan-drà tao amin’ny lohany, araka ny fantatra ihany dia tsy nahatsiaro tena intsony izy nanomboka tamin’io andro io ka hatramin’ny omaly atoandro nialany aina. Manampahaizana manokana momba ny varotra sy ny toekarena, nandranto fianarana tao amin’ny kolejy Md Misely Amparibe ny tenany ary nanohy ny fianarana ambaratonga ambony tany amin’ny oniversiten’i Lille Frantsa.

Nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatra politika, ary anisan’ireo tena akaiky an’i Didier Ratsitraka Itompokolahy : ministry ny fitatanam-bola sy vola izy ny taona 1982 ka hatramin’ny 1989, mpanolotsaina manokan’i Didier Ratsiraka kosa izy ny 1989 ka hatramin’ny 1993. Voatendry ho praiministra izy ny taona 1997 rehefa tafaverina teo amin’ny fitondrana ny amiraly, governoran’ny faritanin’Antananarivo izy ny taona 2001-2002 ary voafidin’ny amiraly ho Talen’ny fampielezan-keviny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2001. Raha nitranga ny krizy tamin’ny 2001-2002 dia i Pascal Rakotomavo no anisan’ireo olon’ny fitondrana Ratsiraka tsy mba niafina na nitsoaka ary tsy anisan’ireo voahenjiky ny fitsarana ihany koa izy.

Tsy dia nandrenesam-peo firy izy tamin’ireny raharaha 2009 ireny fa dia nipetraka ho mpandinika sy mpanara-maso akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena, na dia nisafidy ny hiara-dia tamin’i Andry Rajoelina aza ary isan’ireo tonga voalohany teny Ambohijatovo ny sabotsy 17 janoary 2009. Ny alina teo no tonga eto an-tanindrazana ny nofo mangatsiakany, niaraka tamin’ny zotram-piaramanidina avy any Bankok nandalo tao La Réunion. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’Itompokolahy ny eto amin’ny Tia Tanindrazana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT