Mitohy hatrany ny ezaka fanohanana ny fampianarana ataon’Atoa Randrianarison Olivier, Lefitra voalohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominin’Antsirabe.
Ny EPP Mandraisoa-Mahatamana, Fokontany Vohitrarivo indray no nahazo izany tohana izany, izay foto-drafitrasa goavana ihany satria tena efitra vaovao mihitsy no naorina ho fanampin’ny ao an-toerana. Efa ho telo volana teo ho eo no nanombohan’ny asa izay nianga avy any ifotony mihitsy ka ny Fokonolona no niantoka ny fanamboarana rehetra sy ny fiantohana ny fasika fa ny akora toy ny vato, biriky, ny hazo ary ny simenitra ampiasaina rehetra dia ny lefitry ny PDS no niantoka azy. Nambaran’Atoa Randrianarison Olivier fa nohon’ny fitsonjovana ireo ankizy izay lazaina hatrany fa hoavin’ny firenena.
Nambarany fa ankoatry ny fanorenana ity efitranon-tsekoly iray ity dia efa manome tohana ireo mpampianatra karamain’ny ray aman-dreny ihany koa ny tenany ary nanome fampirisihany ireo ray aman-dreny hanampy ireo zaza hanao fanadinana CEPE fa hiantohany manotolo ny saram-pisoratana anarana eny amin’ny fanohizana ny fianarany eny amin’ny CEG, miampy ny fitaovam-pianarana amin’izany mba hanohizan’ny kilonga ny fianarany. Ankoatra ireo moa dia nanolotra baolina kitra ho an’ny kilonga ihany koa ny tenany satria dia natrehan’ny masony ny baolina “sachet” nodakadakan’ny kilonga teo.
Nambaran-dRtoa Razafindrasoa Perline, Talen’ny sekoly dia ny taona 1987 no niorenan’ny sekoly ka efitra telo ihany no nianaran’ny ankizy 220 hatramin’izao, izay misy ny kilasy rehetra amin’ny EPP ireny. Miray efitra avokoa ny kilasy maromaro araka izany ka sahirana ireo mpampianatra izay 4 monja ihany koa. Ahafahana manasaraka efitra ireo mpianatra araka izany ny fahazoana ity efitrano vaovao ity, hoy izy nanamafy sy nisaotra ity tompon’andraikitra ity. Nanamafy moa Atoa Randrianarison Olivier fa mbola betsaka ny asa ataony ho an’ny lafiny fampianarana sy fampandrosoana ho an’ny tananan’Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.