Actualités

Olan’ny QMM any Tolagnaro Atahorana hivadika zavatra hafa


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Mbola nitohy omaly zoma teo ny grevy narahina filaharana tao Tolagnaro renivohitry ny faritra Anosy ka nizara roa ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ny voalohany ireo nanao sakan-dalana tao amin'ny « 4 chemins  Bezavona » lalana mizotra mankany amin’ny toeram-piasan’ny QMM Mandena.Nisy ireo olona 4 voasambotra mantsy ny alakamisy hariva ka naneho ny tsy fahafaliany noho izany ireo mpomba azy ireo.Tonga tany amin’ny tribonaly hangataka ny famoahana azy ireo ny mpiara-dia aminy.Raha tsy manaiky an'izany ny ao amin'ny fitsarana dia niara-nirohotra hanolon-tena higadra toy ny namany 4 ireo ry zareo.Fihetsika anisan'ny nahafaingana ny fitsarana izany.Tapaka fa ny alakamisy izao no hotanterahina io fitsarana io.Ny filaharana faharoa kosa dia nataon’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny QMM efa ho an-jatony mahery .Nitondra sora-baventy mitaky ny hanesorana ny sakana.Tsy nisy ny fifandonana na dia nafampana ihany aza ny zava-nisy ,nifampitazana fotsiny ny roa tonta.Atahorana hivadika zavatra hafa ity raharaha ity raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana.Tsikaritra ihany mantsy fa misy ny mpanao mijapy ity toe-javatra ity.

Onesime Michel

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT