Actualités

Olan’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Vonona hifampiresaka ny minisitra Maharante


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Misy voavidy vola ireo mpiasa manatanteraka fitokonana eo anivon’ny paositra Malagasy ankehitriny raha araka ny feo mandeha.

Na dia efa governemanta iraisana aza mantsy no natsangan’ny praiminisitra Ntsay Christian  sy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina dia mbola misy ihany ireo tsy mankasitraka. Raha ny fantatra dia efa nanolotra ny fandaharan’asa mandritra ny enim-bolana entina hanatsarana ny sehatry ny fifandraisan-davitra ny  minisitra Maharante Jean de Dieu ary  tsy mbola nanala tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera iadidiany hatreto. Anisan’ny voafaritra ao anatin’io fandaharan’asany io, ohatra, ny fametrahana ivontoerana nomerika eny anivon’ireo sekoly filamatra,  toraka izany koa ny eny anivon’ireo oniversite dimy eto amintsika miampy ireo bus mandehandeha miisa 100 entina hanampiana ireo tanora manerana ny Nosy tsy afaka misitraka ny internet. Vonona ny hifampiresaka sy hisokatra amin’ny rehetra ny minisitry ny paositra Maharante Jean de Dieu mba hampisindana ny ahiahy tsy hihavanana ka anisan’ireny ireo mpanao fitokonana.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT