Tsy ny solika ihany no nisondrotra, fa efa nialoha lalana azy ny hena sy ny voamaina ary ny legioma
Nampiteny ny moana mihitsy moa ny sondro-bidin’ny voatabia teto Antananarivo sy ny manodidina, iray volana lasa izay. Miha hita soritra amin’izay ankehitriny ny voka-dratsin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, satria tonga ny krizy politika. Mbola azo atao hoe niaina araka ny tokony ho izy ihany ramalagasy, fa rehefa manomboka miseho amin’izay ny krizy sosialy sy ny krizy ara-toekarena, dia eo vao ho raharaha. Ny mpahay toekarena moa dia efa nilaza mihitsy fa 2 na 3 taona aorian’ny nitrangan’ny fiovam-pitondrana, nisy teto vao tena hamely mafy amin’izay ny krizy izay hahakasika ny isan-tokantrano. Ny fanadihadian’ny PNUD farany teo dia efa nilaza fa Malagasy 3 amin’ny 4 dia sahirana ara-pivelomana avokoa.
Raha ny fivoaran’ny maha olona dia mitana ny rambony isika aty Afrika. Tena marefo, araka izany, ny toekarem-pirenena. Ny mahagaga anefa dia mbola misy mpitondra sahy miteny ihany fa efa akaiky hifarana, hono ny krizy, ary tsy tokony hikoropaka na hanahy ny vahoaka fa voafehin’ny fitondrana tetezamita ny zava-mitranga eto. Ny mahakivy ny olona amin’izao fotoana dia dedaka ery ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina raha nilaza fa mahatratra iray miliara dolara mahery ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, sy ny hoe tsy misy ahiana ny amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Tsy tapitapitr’izay anefa dia nipoitra daholo ny olana, nigrevy ny mpiasan’ny Banky Foibe, fa toa hoe nisy famoaham-bola tsy dia nazava loatra tao, niakatra ny vidin’ny solika sy ny jiro sy rano.
Ahoana moa ny olona no tsy hikorapaka amin’izany ! Inona indray no hambaran’ny fitondrana tetezamita raha miakatra 400 Ariary ny saran-dalan’ny taksibe eto an-drenivohitra ? Ahoana no hatao raha mampiakatra ny azy koa ireo zotra nasionaly ? Mbola salama tsara koa ve ny Ariary ao anatin’izao fisavoritahana rehetra izao ? Ampy hitazonana ny sandan’ny mihoatra amin’ny euro sy ny dolara ve ireo nambara fa vola be ao amin’ny Banky Foibe ? Etsy ankilan’izay dia maro ny mpandraharaha mimenomenona noho ny fisian’ny mpandraharaha sasany toa mahazo tombony hafahafa izany, hany ka tena mangoron-karena sy manao ampihimamba ny bizina rehetra misy eto. Fa ny tena mampihorohoro ny mpiasam-panjakana dia ny mety hahatara ny fandoavana ny karama atsy ho atsy, na sanatria ny tsy hisian’izany mihitsy. Asakasak’ireo mieritreritra ny tenany fa mahavita azy eto, fa ny tena marina dia hita aloha ny vahaolana politika, izany hoe mifanaraka ny ankolafy rehetra ary tanteraka ny takian’ny sehatra iraisam-pirenena, izay vao irosoana ny vahaolana ara-bola sy ara-toekarena mba hanavotana ny firenena, fa raha mbola misy ihany ny fanilihana ny ankolafy sasany sy tsy fanatanterahana izay voasoratra ao amin’ny tondrozotra dia hihamafy ny krizy, satria tsy hisy hanampy antsika izany mihitsy ny avy any ivelany, raha mbola ny mpanongam-panjakana no mibahan-toerana eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.