Efa milamina amin’ny ankapobeny ny olan’ireo mpianatra eny Ankatso mikasika ny fizarana ny trano fonenana raha araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny CROUA, Randriamiarinarivo Abel omaly.
Ho an’ny tetsy Ankatso II sy Ambohipo manokana dia notsindriany fa vokatry ny fijabahan’ny mpianatra amin’ny fitantanana ny toeram-ponenan’ny mpianatra no tena fototry ny olana raha teo ihany koa ny fisian’ireo mpanararaotra ara-politika manao fitaovana ny mpianatra hahafahany mihetsika. Na izany aza anefa dia niaiky ny Tale jeneralin’ny CROUA fa tsy ampy ny trano fonenana tokony hozaraina amin’ny mpianatra. Raha mahatratra 25.000 mantsy ireo mpianatra tokony hahazo izany dia tsy misy afa-tsy 5.900 monja no zakan’ny trano.
Ankoatra izay dia notsindriany ihany koa fa efa antitra sy ratsy ny fotodrafitrasa misy ka ilana fanamboarana. Na izany aza anefa dia efa nahita vahaolana ny CROUA, hoy Randriamiarinarivo Abel nandritra ny fivoriana niarahany tamin’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisan’izany ny famerenana ny Bloc 9 sy ny Bloc 31 tamin’ny toerany. Vahaolana fohy ezaka ihany ireo raha araka ny nambarany satria dia anisan’ny lavitra ezaka efa ketrehin’izy ireo ankehitriny ny hankatoavan’ny tompon’andraikitra toy ny minisitera ilay taratasy izay milaza fa ny “administration” ihany no tompon’andraikitra amin’ny fandraisana sy fanalana mpianatra eny amin’ny trano natokana ho azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.