Anisan’ny biby iray manan-danja eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny omby. Ankoatra ny maha sakafo fihinana azy izay malaza hatrany isaky ny misy fety lehibe dia misy fifandraisany amin’ny vintan’olombelona ihany koa izy ireny ka tsy tokony ho ompiompiana fahatany, hoy’Atoa Victorio Andriamihanta.
Raha karazan’omby volavita, ohatra, no ananan’ny tokantrano iray dia tsara raha omeny ny mpanjaka anaovana sorona izy ireny satria mpamotsitra ireo harena an-tanana. Tokony hifanaraka amin’ny vintan’ny olona iray hatrany ny omby ompiany. Raha teraka adaoro ny olona iray dia ny omby alakarabo no mety aminy. Tsy hampahafantarina ny hafa anefa izany fa ny ao an-tokantrano ihany no mahalala azy ary mila tandrovina mafy. Betsaka ireo fomba Malagasy tsy fantatry ny olona ka tsara raha hampahafantarina azy. Nohazavainy ihany koa ny mikasika ny ranomanitra izay nomarihiny fa tokony hifanaraka amin’ny vintan’ny olona iray ihany koa fa tsy vidividiana fahatany. Ho an’ireo olona te-hijanona eo amin’ny fitondrana, indrindra fa tojo zava-tsarotra tahaka izao dia nomarihin’Atoa Victorio fa ny fanaovana sorona omby volavita ihany koa no anisan’ny vahaolana iray mety hisian’ny filaminana. Olona marobe tokoa no liana tamin’ny famelabelaran-kevitra momba ny vintana sy ny omby ary ny ranomanitra notanterahin’ity mpanao fomba Malagasy ity teny Alasora ny faran’ny herinandro teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.