Zanaka mpiasa Malagasy 3 teraka tao Maorisy ka vao 3 volana monja ny iray, 1 taona sy tapany sy 2 taona kosa ny 2 ambiny no tadiavin’ny sampandraharaha misahana ny sisintany Maorisiana halefa mody aty Madagasikara.
Mpiasa amin’ny orinasa afaka haba amin’ny orinasa Corona Clothing ao Floréal izy ireo ary mazava ho azy fa samy hafa ny reniny. Nambaran’ity sampandraharaha ity fa tsy maintsy alefa mody aty Madagasikara ireo zaza ireo raha mbola te hanohy hiasa any Maorisy ireo reniny avy. Ny 29 mey lasa teo no fotoana voatondro handroahana azy ireo. Nisy anefa ny fifampidinihana izay tsy nampiharana izany. Omaly 03 jona no tokony ho nambara ampahibemaso ny votoatin’ilay fifanarahana.
Tsy mahalala sa tsy te halalala izao zava-misy izao ny fanjakana Malagasy ?
Noho ny tsy fananana taratasy ahafahany monina any Maorisy na “titre de résidence” no androahana ireo zaza tsy manan-tsiny ireo. Tsy voatery hahazo io taratasy io mantsy ny olona iray na dia teraka tao Maorisy aza. Mazava ho azy fa tsy hizaka ny zom-pirenena Maorisiana mihitsy koa. Vao maika moa fa samy Malagasy avokoa ny ray aman-drenin’izy ireo. Marihina anefa fa manana kopia ara-dalàna izy 3. Mpisolovava maorisiana manampahaizana momba ny zon’olombelona iray atao hoe Dev Ramano no manameloka izao fomba “barbare” izao ao an-toerana. Aminy dia tokony ny lalàna maorisiana no ovaina satria tsy eken’ny saina ny fampisarahana ny zaza amin’ny reniny. Tsy mahalala sa tsy te halalala izao zava-misy izao ny fanjakana Malagasy. Ny mahagaga dia navela teraka soa amantsara izy ire vao misy ity resaka ity, nahiana no tsy tamin’ny fotoana nahabevohoka ny reniny no nandraisana fepetra ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.