Vondronosy kely miisa 5 manodidina an’i Madagasikara ireo nantsoina talohan’ny taona 1979 hoe
Îles Éparses» na nosy manodidina, raha tsiahivina ny raki-tsoratry ny tantaram-pirenena. Manavatsava ny lakandranon'i Madagasikara na lakandranon'i Mozambika fahiny sy ny Ranomasimbe Indianina ireo ka ahitana an’i Juan de Nova, Europa, Bassas da India, Glorieuses na Nosy sambatra ary Tromelin. Ireo nosy ireo dia dongian’i Frantsa ankehitriny ka nataony eo ambany fahefan'ny fiadidiana na «Administration» an’ny TAAF na «Terres Australes et Antarctiques Françaises». Ny taona 1979 no nivoaka ny «Résolution 34/91» na fehin-kevitra tao amin’ny ONU na Firenena mikambana. Ny «Assemblée générale des Nations Unies», izany hoe fivoriamben’ny Firenena mikambana tamin’ny 1979 no namoaka izany ka miantso an’i Frantsa hamerina ireo nosy ireo amin’i Madagasikara noho ny maha an’I Madagasikara ireo nosy ireo ary efa miverina ankehitriny ny fahaleovantenam-pirenen’I Madagasikara fa tsy zanatany frantsay intsony, hoy ny fanazavàna. Ny taona 1980 hatramin’ny 2000 dia sy nisy ny fihetsika mazava avy amin’i Frantsa tamin’ny famerenana ireo nosy ireo fa na izany aza mbola nanohy nametraka tafika sy fanaraha-maso ny harena an-dranomasina tamin’ireo nosy ireo i Frantsa. Noraran’ny Frantsay sy nosamboriny mihitsy aza ireo mpanjono malagasy izay efa nanjono sy nanao fitobiana tamin’ireo nosy ireo rehefa manjono. Manoloana izany I Madagasikara dia nandefa fitarainana im-polo mahery tao amin’ny ONU sy OUA na Vondrona afrikanina saingy tsy nisy fepetra mazava noraisin’ireo vondrom-pirenena ireo. Navaozina ny fitakiana ny taona 2009. Noho ny tranga politika nisy teto amin’ny firenena ny taona 2009 dia nihena tanteraka ny herin’ny diplomasia malagasy. Nanjaka tokana tanteraka i Frantsa. Nanamafy ny fanaraha-maso ara-tafika sy fanaraha-maso an-dranomasina na ZEE ny frantsay. Nanasonia fifanarahana tamin’i Sina amin’ny resaka fanararaotana harena an-dranomasina niaraka tamin’ny fanamafisana ny fitakiana ara-tsiansa sy ara-tantara momba ireo nosy ireo i Madagasikara ny taona 2012. Ny taona 2019 moa dia natsangana ilay vaomiera ikambanana na «Commission Mixte” Frantsa-Madagasikara. Vao tonga teo amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny no niara-nanangana an’io hanadihady ny hoavin’ireo nosy ireo. Nivory in-dray mandeha io vaomiera natsangana io. Tsy nifanaraka ny firenena roa tonta satria i Frantsa mitady “gestion partagée” na fiaraha-mitantana. Madagasikara kosa mitaky fiverenana tanteraka. Nataon’i Frantsa samy irery ho “parc naturel marin” na valanjavaboary an’ny fari-dranomasiny tamin'ny nosy sasany i Juan de Nova sy Europa ny taona 2020 – 2023. Tsy nisy fankatoavan’i Madagasikara izany. Nataon’I Frantsa izany satria manan-karena amin’ny solitany sy entona ny faritra manodidina sy ireo nosy ireo. Tsy mihevitra ny hamerina ireo nosy ireo i Frantsa amin’izao taona 2025 izao, raha ny fanamafisam-baovaon’ireo haino aman-jery frantsay hatreto aloha. Mitana azy amin'ny anaran'izany “prérogative régalienne” izany. Madagasikara mbola mitaky am-pahibemaso ny famerenana ary mbola manana fanohanana avy amin’ny ONU sy UA na vondrona afrikanina ankehitriny. Frantsa mifikitra amin’ny fifehezana stratejika sy harena toy ny entona, petroleum, zavaboary, fanaraha-maso an-dranomasina. Fahagagana raha hilefitra ny frantsay!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.