Actualités

Nodoran-dramatoa tamin’ny lasantsy ny trano May nitsovaka ny filahian-drangahy mbola natory teo am-pandriana


  • Alarobia 07 Mey 2014

Trangam-piarahamonina hafa kely no nitranga tetsy amin’ny Fokontany Antetezana Afovoany 67 Ha Atsimo, omaly naraina, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany.

 Nodoran-dramatoa ny trano vokatry ny ady sy fifamaliana nisy teo amin’izy mivady nanomboka afak’omaly alina. Rangahy tamin’io mbola matory tsy nanampo na inona na inona. Ramatoa kosa naka lasantsy tao anaty moto ary nanondraka izany eran’ny trano sy tamin’ny fandriana natorian’ilay rangahy. Niredareda ny afo ary ny antso vonjy nataon’ity farany no nanaitra ny manodidina. Raha ny fanazavana dia may vokatry ny firehetana ilay raim-pianakaviana ary voa mafy ny manakaiky ny kibony sy teo amin’ny filahiany. Voalaza fa miady matetika ireto mpivady tanora ireto, hoy ny manodidina. Afak’omaly, raha ny fanazavana hatrany, dia naratra sy nibindana tarehy voadaroka ramatoa. Noho ny daroka sy vono nahazo azy dia ankevitry ny namaly faty ity renim-pianakaviana ity ka nodorany ny trano ary saika navelany levon’ny afo tao ny vadiny raha tsy nalaky taitra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT