Actualités

Nitokona ho an’ny fanovana Mpiasan’ny ladoany 98 tapaka karama


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Hanao grevy mandritra ny roa andro, ny 30 sy 31 aogositra ny mpiasan’ny fadintseranana ho fanehoana firaisankina amin’ireo naman’izy ireo miisa 98 tapaka karama, hoy i Andrianavalona Herizo, filohan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny fadintseranana na ny SEMPIDO.

 

 Araka ny fanazavan’ity farany dia noho ireo mpiasa ireo nanaraka fitokonana, nandritra ny hetsika ho an’ny fanovana nanomboka tamin’ny 21 aprily 2018 niseho teto amin’ny firenena no henon’izy io ho anton’ny fanapahan-karama. Koa ho fanehoana tsy fankasitrahana ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Fitantanam-bola nanao io fanapahan-karama io, ihany koa no anton’io fitokonana roa andro io, raha ny fanazavan’ity filohan’ny SEMPIDO hatrany. Tsy to teny na koa tsy misy mpihaino ve ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian raha nanome toromarika amin’ny tsy hanasaziana na hanapahana karama ireo mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’ireny hetsi-bahoaka nitaky fanovana ireny, matoa misy indray fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny toromarika nomeny ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT